Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Antananarivo renivohitra – 24 isan-jato ihany no manana rano ao an-trano

Tsy manara-penitra ny kalitaon’ny fahazoana rano aty afrika satria mahatratra 300 tapitrisa no tsy mahazo rano fisotro madio. Raha ny eto an-drenivohitra fotsiny dia 24 isan-jato ihany no manana rano ao an-tokantrano, 20 isan-jato no manana kabone fa ny 65 isan-jaton’ny olona dia mangery amin’ny « pot » ary ny 15 isan-jato manao maloto eny ankalamanjana. Mba hanatsarana ny kalitaon’ny famatsiana rano eto an-drenivohitra sy ny manodidina sy mba ahafahan’ireo olona an-tapitrisa mahazo rano fisotro madio ary ny fanamafisana ny fifanarahanan’ny « Fondation Coca-cola Afrique » ny fiodinana faharoa amin’ilay tetikasa Rain (Replenish Africa Initiative) eto Madagasikara dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo foto-drafitr’asa eny amin’ireo fokotanin’ny kaominina Talatamaty, Ivato ary Ambohibao Antehiroka. Tafapetraka eny amin’ireo fokontany ireo ny toeram-panasam-damba iray sy ny paompy drano miisa 2, izay afaka mamatsy olona any amin’ny 14 400 any ho any ao anatin’ny fotoana maharitra. Tetikasa izay novatsian’ny Usaid lelavola mitentina 2,8 tapitrisa dolara.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre