Analanjirofo – Voatendry ho lehiben’ny Faritra i Ramaroson Jacques
Nitodika amin’ny tanora ao Analanjirofo ny fitondrana foibe. Notendrena ho lehiben’ny Faritra Analanjirofo nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia 9 desambra lasa teo, i Ramaroson Jacques, izay mpandrindra rezionaly ny Ong Asos, mpandraharaha ara-toekarena, mpitarika tanora ary mpanao asa soa sy asa sosialy any an-toerana. Leo fanendrena miainga avy any ambony, ka izy no notakian’ireo ben’ny tanàna voafidy tany an-toerana hitondra ny faritra misy azy ireo. Ary raha zohina akaiky dia niala amin’ny fanendrena mahazatra izy ity, izay mazana olona vahiny no voatendry hitondra. Nitodika any amin’ny tanora ihany koa ny sivana nataon’Ambohitsorohitra. Tanora manana traikefa ary tombony ho azy dia zanak’Analanjirofo ny tenany. Teraka, ary mbola tsy nifindra monina ka mahalala tsara ny zava-misy marina ao amin’ny Faritra misy azy ity lehiben’ny faritra vaovao ity. Tsy vahiny eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny lehilahy satria efa talen’ny fampandrosoana ny Faritra i Ramaroson Jacques ary andraikitra maro no efa nosahaniny eo anivon’ny fiaraha-monina. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana foto-drafitr’asa eny amin’ny sekoly sy ny hopitaly. « Tsy hijanona fa ho tohizana ireo asa vita », hoy ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo vaovao.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40








