Gaby Vakiniadiana – Fandrebirebena no betsaka eto
« Tsy zanaka i Madagasikara (nozanahina) fa nalaina tamin’ny alalan’ny ady sy ny daroka sy novonoina mba atao Andevo », hoy ity sekretera jeneraly ny Vondron’ny Mpanohitra ity. Teny entina hanazava ny fifamahofahon’ny ady hevitra manodidina ny tontolo politika eto amintsika.
Satria raha « zanaka » hoy izy, dia adidin’ny ray aman-dreny no mamelona ny zanany. Manafy sy mitaiza ka ny kolontsaina sy ny fomba dia atao mifanaraka amin’ny an’ny ray aman-dreny. Ohatra ny Nosy La Réunion na i Mayotte dia miady ho zanany satria tafita tany ny adidy tokony ho nataon’i La Frantsa (ray aman-dreny).
Fa raha « andevo » kosa dia ampiasaina amin’izay mety ilaina azy. Potehina sy alaina ny fananany, potehina ny kolontsainy ka soloina na ampidirana ny kolon-tsaina andevo dia ilay hoe « Oui M’ise ! » (manaiky be fahatany) satria raha zanaka dia « Oui Papa ! ». Koa dia aporisihina toy ny biby mba hiaro sy hanome ny zony ho an’ny firenena mpanandevo ! Tsy nampafantarina azy ny momba azy sy ny fananany!
Noho izany tsy zanak’i la Frantsa i Madagasikara fa fandrebirebena ny Malagasy no misy toy ny filazana fa zanatany isika fa ny tena marina dia andevony isika ! Ny vahaolana dia ny famotehana ireo rafitra rehetra sy fomba amam-panao navelany!
Solo R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







