Amboditsaravina-Ambositra – Dimy lahy nirongo basy nanafika ny Ben’ny tanàna
Nirefotra ny basy tao Ambatokapaiky, kaominina Amboditsaravina, distrikan’Ambositra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Dimy lahy nirongo basim-borona vita gasy no niditra an-keriny tao an-tokantranon’ny ben’ny tanàna niaraka tamin’ny fianakaviany.
Nopitsohin’ireo jiolahy ny varavaram-be ary nanao amboletra niditra ary nandrohana ireo lasibatra hamoaka ny vola. Noho ny tahotra sy ny hery tsy mitovy dia tsy sahy nikofoka ny iray trano, hany ka, nanao izay danin’ny kibony tanteraka ireo jiolahy nandrava ny entana rehetra.
Lasa ny lelavola mitentina valo hetsy ariary sy ny fitafiana maro isan-karazany ary ny entana tao an-trano. Isan’izany ny « tablette » izay vao nozaraina ho an’ireo Ben’ny tanàna. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa lasa nandositra ireo jiolahy vao nahazo izay nilainy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo lasibatra taorian’izay ka minitra vitsy dia tonga teny an-toerana iry voalohany nanao ny fizahana. Nahitana taim-bala teo amin’ny manodidina. Mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







