Antsiranana – Mpangalatra maty norarafan’ny tompon-trano tifitra
Mpijoko voajoko. Ny tratra mangana ny hanina tsy azo. Sendra ny nahay azy ireo jiolahy nanafika tokantrano iray tao Antanaombao IV, an-tampon-tananan’Antsiranana, ka maty voatifitry ny tompon-trano ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Ny zoma vao mangiran-dratsy, tokony tamin’ny 2 ora maraina no nisehoan’izany. Valo lahy nirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra no nikasa hanafika dokotera tamin’io fotoana io. Efa ren’ny lasibatra anefa ny fahatongavan’ireo olon-dratsy ka nandrasany tsara. Vao nigadona teo amin’ny tokonam-baravarana, noho izany, ireo mpangalatra dia norarafan’ny tompon-trano tifitra variraraka ka maty tsy tra-drano ny iray tamin’izy ireo.
Nihemotra avy hatrany kosa ny ambiny vao nahita ny naman’izy ireo nitsirara teo tamin’ny tany. Nentin’izy ireo nandositra niaraka taminy ihany koa ilay namany namoy ny ainy saingy tsy lasa lavitra izany. Natahotra ny ho tratra angamba fa teo amin’ny 100 metatra teo ihany mantsy dia nadabok’izy ireo ny razana. Efa mazava kosa ny andro no tonga naka izany teo an-toerana ny fianakavian’ny maty. Misokatra ny fanadihadiana ary efa karohina ireo jiolahy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







