Fankalazana ny Noely – Nanolotra fanomezana ho an’ireo sahirana ny IEF Aceem
Amin’izao ankatoky ny Noely izao dia samy manana ny fomba hanamarihany azy avy ny sekoly tsirairay toy ny sekoly IEF Aceem Andravoahangy. Tahaka ny efa fanaony isan-taona dia fanolorana fanomezana ho an’ireo niangaran’ny vintana no nanamarihana izany, omaly, teny amin’ny Ekar Faravohitra. Fianakaviana sahirana manodidina ny 280 tany ho any monina manakaiky ny Fjkm Ankadifotsy, Ekar Faravohitra, fokontany manodidina ny sekoly Aceem rehetra eto an-drenivohitra ary ireo zaza mirenireny eny Ambanidia, no nozaraina vary miisa 10 gony sy paty miisa 6 gony ary ronono sy savony.
« Ireo fanomezana ireo dia avy amin’ireo mpianatra ny IEF Aceem Andravoahangy sy ireo mpampianatra ary ny vondrona fanabeazana Aceem. Ireo olona ireo izay nahazo anjaram-pahasoavana avy amin’Andriamanitra dia mba manome izay voatsirambin’ny tanany amin’ireo olona sahirana ireo », hoy i Mamy Rasolonaivo, mpitantsoratra jeneralin’IEF Aceem.
Nisy ihany koa ny rindran-kira ara-pilazantsara nataon’ireo mpianatra miisa 680 avy amin’ny kilasy faha-enina hatramin’ny famaranana ao amin’izany sekoly izany, nentina nanamarihana ny fankalazana ny Krismasy, izay notronin’ny filoha mpanorina ny Aceem, Ratrema William sy ireo mpampianatra ao amin’izany sekoly izany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







