Fanafihana amin’ny rotsak’orana – Tokantrano roa lasibatra tany Ambatondrazaka
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any an-tampon-tanan’Ambatondrazaka, indrindra amin’izao andro avy orana izao. Tokantrano roa indray no lasibatra nandritra ny oram-be, ny fiandohan’ny herinandro teo. Ny iray voalohany tao amin’ny fokontanin’Ampasambazimba. Notohanan’ireo mpangalatra tamin’ny vato be avokoa ny varavaran’ny lasibatra vao niroso tamin’ny famikiana izy ireo. Efa fomba fiadin’ireo olon-dratsy ny tahaka izao, ary noho izay rotsak’orana izay dia tsy naheno na inona na inona ny tao an-trano, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Ary tsy vitan’izany fa nangonin’ireo jiolahy avokoa ny fitaovana maranitra rehetra tao an-trano, izay vao niroso tamin’ny fakana ny entana ry zareo. Tamin’izay indrindra no taitra ny raim-pianakaviana ka nokapain’izy ireo tamin’ny antsy avy hatrany, raha nikasa hanohitra azy ireo ka naratra mafy. Niara-dalana tamin’io ihany fa tany amin’ny zana-bohitra Tanambao kosa no niseho ny fanafihana faharoa. Tsy henon’ireo lasibatra ihany koa no nidiran’ireo olon-dratsy tao an-trano ka lasa avokoa ny fitaovana rehetra tao an-dakozia. Ny maraina vao taitra ny iray trano raha nahita ny lakozia babangoana tsy nisy na inona na inona intsony.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







