Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Hamamoana – Olona roa niady saritaka tao anaty « bar »

Raikitra ny totohondry teo amin’ny lehilahy roa, ny alin’ny alakamisy teo, teny amin’ny toeram-pisotroana iray, eny Soanierana. Lehilahy iray tsy mahazaka toaka ary nanakorontana tao amin’ilay “bar” no nahatonga ny ady. Niteny ratsy ireo olona rehetra nisotro tao io lehilahy io ary tsy vitan’izany fa mbola nanimba ny entana tao amin’izany toerana izany.

Niezaka nampitono azy ihany ilay tompon’andraikitra tao an-toerana fa vao mainka nanakorontana izy ka niafara tamin’ny fandroahana azy tao izany. Tezitra tamin’izany anefa ity lehilahy mamo ka niantsy ady tamin’ilay tompon’andraikitra.

Tsy nahatana fo koa ity farany ka notifiriny ny totohondry ilay lehilahy ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Samy voa izy roa fa vokatry ny hamamoana tafahoatra dia tsy nisy angovo intsony ilay mpanakorontana ary naratra mafy ka voatery nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre