Nivadika ny fiaran’ny minisiteran’ny Angovo – Olona telo naratra
Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tamin’iny lalam-pirenena Rn4 iny, ny 9 desambra, tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro. Fiara iray tsy mataho-dalana an’ny minisiteran’ny Angovo no nivadika ambony ambany, tao amin’ny toerana atao hoe Tampoketsa, fokontany Ambohitrapovoany, tany amin’ ny kaominina sy distrikan’Ankazobe. Vokatry ny orana nikija no nahatonga ny loza. Niala lalana avy hatrany ilay fiara satria nalama ny arabe ka nivadika avy eo. Tsy nisy ny aina nafoy fa olona miisa 3 tao anatin’izany fiara izany no naratra.
Fiara marika Mercedes Sprinter iray mpitatitra olona kosa no nivadika teny an-tanimbary, tany amin’ny lalam-pirenena Rn3 indray, mbola ny androtr’io ihany fa tamin’ny 1 ora tolakandro mahery kely teo.
Tao amin’ny toerana atao hoe Andranovelona, fokontany Antanetibe, kaominina Ankazondandy no nisehoan’izany. Olana ara-teknika no fantatra fa nahatonga ny loza ka mpandeha miisa 20 naratra ary ny efatra no tena voa mafy. Potika tsy nisy noraisina ihany koa ilay Sprinter. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ireo niharan-doza.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







