Hala tahaka sa kosa hevitra mifanojo ?
Izany no fanontaniana tonga an’eritreritra raha nandray fitenenana ny minisitra frantsay Laurent Fabius nandritry ny fihaonana an-tampon’ireo firenena mpiray donak’afo ho amin’ny fandrindrana indray ny lamin’ny tontolo iainana eran-tany tanterahina tao an-drenivohitra frantsay. Niavaka tokoa ny nahita ny lamina an-tsehatra nandritra izany kabary izany satria dia voaravaka tamin’ny hazo efa mirara-dravina ka notovonana tamina harona plastika zary lasa dindon’izao tontolo manodidina efa tsy ho azo ivelomana intsony izao. Fa ny tena nanaitra dia io indrindra no sary tian’ny artista malagasy Lando (na Orlando Rabehiandrana Andriamampihantona), avy any Betsileo, aseho amin’ilay hosodoka nomen’ny anarana hoe « Syndrôme de l’Île de Pâques ».
Sary hosodoka nentina namantatra ny hetsika farany mikasika ny fampisehoana ny talentan’ireo artista malagasy vitsivitsy nandravaka ny hetsika ara-toekarena « Salon de l’Habitat » farany teo tetsy Tanjombato. Hetsika ara-java-kanto, natomboka ny taona 2003, mba hanehoana ny tatratry ny talenta sy fihetseham-pon’ireo artista eto an-tanindrazana amin’ny fahitan’ny fivoaran’ny fiainam-pirenena.
Ny tian-kolazaina dia ny fisian’ny fifanojoana eo amin’ny aingam-panahy amin’ny roa tonta na ny tany Parisy na ny avy atsy ambanivohitra Betsileo. Kanefa anie ka tsy azo heverina kely akory ny fisian’ny fifampikasohana teo amin’ny roa tonta. Elanelan-tany an’alina kilaometatra no mampisaraka ny roa tonta ka na misy aza ny aterineto efa mamafy izany i Lando tsy manana ny fahefa-mividy hatakatra izany ka hoe afaka nahalala izany zava-miseho sy mitranga any ivelany lavitry ny fireneny.
Ny any ivelany no efa lasan-davitra amina serasera sy takalo-kevitra ka afaka mifampita fahaizana sy fahalalana ary traikefa amin’ny lafiny maro toy ny sehatry ny hosodoka sy hairaha aman’endrika sy bika ohatra! Mifanakalo ireo artista avy amin’ny sekoly isan-tokony ka afaka misikotra ny haitao sy hairaha azo ifampizarana sy alain-tahaka! Ny ankehitriny mitodika amin’ny teo aloha, ny lova tsara navelan’ny teo aloha azon’ny rehetra gohana sy ianarana. Tsy misy izany kosa ny eto an-toerana hatreto!
Na izany na tsy izany io sary hosodoko voalaza etsy ambony an’i Lando io dia efa lasa maodely sy natao fanohanan-kevitry ny seho ara-java-kanto tato aoriana toy ny seho farany momba ny trano sy fanorenena tetsy Tanjombato. Ary efa zary miparitaka manerana ny serasera maneran-tany voizin’ny aterineto sy fampitam-baovao maoderina. Izany ve no azo handikana fa zary lasa ohatra ho an’ireo artista hafa any ivelany ilay “ketrika” manodidina ny hazo mihitsan-dravina ka nosoloan’ny harona plastika nandikana ny fiharatsian’ny endriky ny tontolo manodidina misy ankehitrio !
Ka hoy ny mpandinika hoe sarotra ny tsy hihevitra sy hilaza fa ny sary hosodokon’i Lando no taloha fa tsy ilay ravaka an-tsehatra tao amin’ny COP 21 ka nifanojo ny aingam-panahy teo amin’ny roa tonta na ny teto anivon’ny Riaka na ny tany ampitan’ny ranomasina. Nitovy ho azy ny tadin-dokanga hoy ny fiteny teo amin’ny fandinihana sy fandikana ny fivoaran’ny zava-boahary manan’aina maneran-tany. Samy vaky fo amin’ny fizotry ny ho amin’ny faharavana sy fahapotehan’izany na ny avy aty amin’ny ila-bolatany Atsimo na ny avy any amin’ny ila-bolatany Avaratra.
Ny fomba sy fotoana nanehoana no samihafa fa ny tanjona tiana hivoitra dia iray ihany. Samy te-hanaitra sy manainga ny rehetra hitodika sy hibanjina ny loza mitatao amin’ny fiainan-janak’olombelona ho any amin’ny fahapotehana mety tsy ho azo ivalozana raha toa ka tsy arenina amin’ny fomba haingana sy matotra. Ary ny fitaovana mahomby indrindra dia ny firaisam-po sy saina ary firaisankina ho amin’ny fahombiazanan’ ny tetika rehetra voavolavola ho amin’izany fanarenana mahery vaika izany !
Ilaina ary ny fandridrana ny saina, traikefa, fahaizana ary hery maneran-tany ka tsy hisian’ny zanak’ Ikalahafa. Na Gasy na Vazaha dia samy manana ny hanitry ny hevitra sy fahalalana afaka hanatrarana izany tanjona iombonana izany. Tsy misy ny hoe nahita voalohany ka hanana ny marina hatrany. Alavirina ny manao didiko fehy lehibe ka hanaovana kely tsy mba mamindro. Fa ladim-boatavo iray ihany izao tontolo izao sy molo-bilany ka samy iray mihodidina avokoa na ny osa na ny manana !
Ny fampivondronana ny hery no fitaovana mahery andresena ny fivoarana ratsy miseho lany eo amin’ny fiainan-dRaolombelona tato anatin’ny taon-jato farany nifandimby. Raha tsy izay dia ho zary baraingo ny ho avin’ireo taranaka handimby izao fiainana anjakan’ny firimorimon’ny fivoarana mahery vaika sy fandrosoana tsy hay tohaina fa tsy fantatra hoe hitondra mankaiza ?
Solo R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







