Soanierana Ivongo – Voasambotra i Bolo mpamaky trano
Nody ventiny ny rano natsakaina tany amin’ny Faritra Analanjirofo tamin’ny fahatratraran’ny mpitandro filaminana tany Soanierana Ivongo ny jiolahy iray izay raindahiny amin’ny famakiana trano. Nandritra ny fisafoana tamin’ny alina, ny herinandro lasa teo, no nisamboran’ny polisy an’i Bolo, teo am-panaovana ny asa ratsiny. Niditra an-tsokosoko tao amin’ny trano fivarotana iray tao amin’ny fokontany Andatsandrano, kaominina Soanierana Ivongo no tratra io olon-dratsy io. Sarona niaraka taminy ny menaka 7 litatra, vary fotsy 1 gony, siramamy 1 gony, kafe 3 kilao, sigara 13 “cartouches” ary fahana finday miisa 45.
Araka ny loharanom-baovao dia tsy sambany fa efa matetika i Bolo no mampitondra faisana ireo mpiara-monina aminy amin’ny famakiana ny trano. Efa in-efatra izy no tratra sy nigadra ary izao sarona izao indray. Talohan’ny nahatratrarana an’io jiolahy io dia fantatra fa efa nanafika tokantrano iray tany an-toerana izy ity fa tsy tratra tamin’izay. Nandritra ny famotorana natao azy dia niaiky fa izy tokoa no namaky izany trano izany. Sarona niaraka taminy ihany koa ny fitaovana entiny manao ny asa ratsiny, toy ny baramina. Efa natolotra ny fampanoavana any Toamasina ny raharaha.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







