Nosy Be – 4×4 nitrongy bajaj, olona roa naratra mafy
Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizina tao Dar es salam, any Nosy Be Hell-Ville, ny alahady maraina vao mangiran-dratsy, tokony tamin’ny 2 ora maraina. Bajaj nijanona teo amoron-dalana, eo amin’ny fifanenana mankany amin’ny « Royal Beach » no nodomina fiara 4×4 marika Pajero avy any Ambatoloaka. Avy nisotrosotro ilay mpamily ny fiara, araka ny loharanom-baovao, ka tsy nahatana izany ka nitrongy io Bajaj io. Nipitika avy hatrany ilay mpamily ny Bajaj sy ireo olona nentiny, raha toa ka nivadika ambony ambany kosa ilay fiara tsy mataho-dalana. Vokany, naratra mafy izy roa : ilay mpamily Bajaj tapa-tongotra ary tapa-tanana kosa ny iray. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly izy ireo amin’izao fotoana izao. Potika tsy nisy noraisina kosa na ilay Bajaj na ilay fiara 4×4.
L.N.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







