Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ben’ny tanàna Fenoarivo-Atsinanana – Vonona hiara-hiasa amin’ny lehiben’ny Faritra vaovao

Tontosa ny zoma 11 desambra lasa teo ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny vahoakan’Analanjirofo ny lehiben’ny Faritra vaovao, Ramaroson Jacques, izay notronon’ny minisitry ny Indostria Rafidimanana Narson. Nakotrokotroka ny fitsenana ny lehiben’ny Faritra, izay niainga avy tao Namahoaka hatrany Fenoarivo Atsinanana manoloana ny lapan’ny Faritra Analanjirofo. Nandritra ny kabary nifandimbiasan’ireo manam-pahefana no nilazan’ny ben’ny tanàn’i Fenoarivo Atsinanana vaovao Franck Rico Mananjara, ny fahavononany hifanome tanana amin’ny lehiben’ny Faritra vaovao. Samy tanora hoy izy ka mitovy ny tadin-dokanga amin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy ireo. I Ramaroson Jacques, izay mpandrindra rezionaly ny Ong Asos, mpandraharaha ara-toekarena, mpitarika tanora ary mpanao asa soa sy asa sosialy any an-toerana. Tsy vahiny eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana, noho izany, ny lehilahy  satria andraikitra maro no efa nosahaniny eo anivon’ny fiaraha-monina toy ny fametrahana foto-drafitr’asa eny amin’ny sekoly sy ny hopitaly.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre