Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mihemotra lava!

Niaraha-nahita tamin’ny fampahalalam-baovao ary nisy ireo nanatri-maso teny an-toerana ny raharaha fitakiana ny nosy manodidina na ny Iles éparses. « Aleo hitaky ny vahoaka madinika rehefa minia tsy miraika amin’ny fananan’ny Malagasy ny mpitondra fanjakana», hoy hatrany ireo mahery fo mijoro hanohitra ny fibodon’ny firenena frantsay ny taniny. Mba ho aiza anefa ireto vahoaka tsy basy an-tanana, tsy fitaovana hafa enti-miady? Ny mpiray tanindrazana nantenain-kanampy indray no toa manosi-bohon-tanana sy mialangalana, dia ireo mpitandro filaminana izany. “Baiko no azo”, hoy ireto farany ka tsy afa-manoatra. Baiko avy amin’ireo manam-pahefana izay tsy iza fa Malagasy ray, Malagasy reny, taranak’ireo izay nitolona sy namoy ny ainy ho an’ny fitiavana tanindrazana saingy ho azy ireo, tsy ampy izany hanosika azy hiady ho an’ny tombotsoan’ny firenena.

Kely ny fanantenana ny amin’ny hamerenana indray ny nosy madinika ho an’i Madagasikara. Ny sabotsy lasa teo dia voaporofo fa fihatsarambelatsihy fotsiny ihany ny fitenenana fa tia tanindrazana ny Malagasy, samy mahay avokoa ny hiram-pirenena ‘Ry tanindrazanay malala ô… ny fitiavanay anao tsy miala…”, saingy mijanona ho hira fotsiny ihany izany. Rehefa tena ilaina ny fifanampiana hiadiana ho an’ny firenena dia mialangalana avokoa na ny mpitondra na ny vahoaka entina. Vitsy ireo tonga nanolo-tena eny fa na ireo mpitandro ny filaminana izay nanome toky hiady ho an’ny tanindrazana aza nivadika avokoa amin’ny ora farany. Ny tombontsoa ny olom-bitsy hatrany no harovana, eny na dia fantatra aza fa izany no mandentika ny firenena anaty kizo lalina.
Mahantra ny firenena ary tsy sasatra ireo mpitondra ny mamerina izany. Misedra olana goavana amin’ny lafin’ny ara-toekarena sy sosialy nefa efa ho 3 taona nitondrana tsy hita ihany izay fivoarana nentina. Ny politika ampiarina tsy miaro ny tombotsoam-bahoaka fa mitongilana hatrany ho an’ny tombotsoan’ireo eo amin’ny fitondrana. Kely ny finoana ny amin’ny hivoahan’ny firenena anaty kirizy lalim-paka ary mipetraka ny fanontanina hoe mbola “Hihemotre Ve i Madagasikara”. Raha tsy misy ny finiavana ara-politika sy ny fialana amin’ny fitiavan-tena dia mazava ny valiny fa tsy hifoha amin’izao nofy ratsy izao ny Malagasy.
Tsy ampy ny finiavana ara-politika fa mila manam-pahaizana ihany koa hijery akaiky ny tetikasa entina ampandroso ny firenena. Mbola sarotra anefa ny hiala amin’ny kitranoantrano sy ny risoriso izay miha mahazo vahana hatrany. Manaporofo izany ireo mpikamban’ny governemanta izay tsy hita izay ataony nefa dia voatazona hatrany amin’ny toerany. Eo amin’ny fandraharana indray moa dia aleo nomena ny vahiny ny fitantanana. Lany olomanga ve i Madagasikara sa sarotra ny hamindra ny fitantanana amin’ireo manam-pahaizana Malagasy sao dia hivoaka avokoa ireo politika maloto nentina nanodikodinana ny volam-bahoaka. Mipetraka ny fanontaniana.
Hatreto aloha, na ankinina amin’ny vahiny “manam-pahaizana” aza ny fitondrana ny orinasam-panjakana maro, mbola mahantra ny vahoaka. Tsapan’ny mpitondra fa mipaka lalina amin’ny fiainan’ny tsirairay ny fahasahiranan’ny firenena ka entina handrebirebena ny sain’ireto farany ireto mba tsy hitraotra, dia atao re-poko, ren-danitra ny fahazoana fampindramam-bola avy amin’ireo vondrona iraisam-pirenena. Efa hiarina ny toekarena raha ny fampanantenana. Fampindramam-bola anefa eto no resaka ary mbola maro ny fepetra takiana ahafahana misitraka izany. Mbola sarotra ho an’ireo mpiara-miombon’antoka ny hanome tanteraka ny fitokisany ho an’ny mpitondra ka na vola ampindramina aza dia mila fepetra hentitra vao afaka mahazo izany. Tsy mazava ihany koa hatreto ny tambin’ny fampindramana izay efa vita tany ambadika tany. Ny fantatra aloha dia tsy ho hafa-trosa ny taranaka Malagasy ampolo-taona maro. Mbola miverina ihany eto ny ahiahy amin’ny fivoahana amin’ny kirizy. Ny mpitondra nantenaina hanarina sy hitondra hery vaovao vao mainka mandentika ny firenena anaty kizo.

Ralambomamy

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre