Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Adin-tany – Rangahy iray naratra mafy voakapa famaky

Rangahy be iray no naratra mafy voakapa famaky teo amin’ny andriny, ny sabotsy lasa teo, tany Morafeno be. Resaka adin-tany teo amin’ilay rangahy sy tovolahy iray no nahatonga ny herisetra. Araka ny loharanom-baovao dia misy tovolahy iray mipetraka amin’ny tanin’ilay rangahy ka mitaky ny ialan’iry voalohany amin’izany ity faharoa fa tsy nanaiky ka izay no nahatonga ny disadisa teo amin’ny roa tonta. Efa naharitra amam-bolana maromaro izany.

Tamin’ny sabotsy teo ary dia niverina teny amin’izany toerana izany indray ny tompon-tany niaraka tamin’ny olona miisa 2 hanala io tovolahy io. Tsy nisy resaka anefa fa avy hatrany nokapain’ilay tovolahy tamin’ny famaky io rangahy ka voa teo amin’ny andriny ary torana tsy nahatsiaro tena. Ary nandositra ilay nahavonan-doza avy eo. Vao nahita ilay rangahy be nitsirara teo amin’ny tany ireo olona roa niaraka taminy  dia lasa nandeha ihany koa, izay nihevitra azy ho maty. Olona sendra nandalo nahita ilay lehilahy lehibe avy eo no nampandre ny mpitandro filaminana ka nidina teny an-toerana ireto farany nanao ny fizahana ary nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Efa manaraka fitsaboana ilay naratra ary mandeha ny fikarohana ny nahavanon-doza.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre