Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambohitrimanjaka – Jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Notafihan’ny andian-jiolahy ny tokantrano iray teny Ambohitrimanjaka, ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 2 ora maraina. Efa hidiran’andro tokoa fa nisy nahatsikaritra ny fahatongavan’izy ireo tao ary niantson’io olona io vonjy. Niezaka nikaroka lalana nitsohana noho izany ireo jiolahy. Tafatsoaka avokoa ireto farany fa ny iray 21 taona tavela ka noraisim-potsiny.

Tsy namelan’ny fokonolona fa nodarohany ity tovolahy tratra farany. Naharitra ora maro ny fitsaram-bahoaka saingy tamin’ny voalohany dia tsy naheno izay daroka natao taminy ilay tovolahy, noho ny herin’ny ody teny aminy. Mihevotra fotsiny ny vely kibay natao taminy, araka ny loharanom-baovao. Tsy nety nandeha rà ihany koa izy raha tsy tapaka nipitika ny rojo kely teny am-bozonany. Nilamaka sy nalemy tanteraka mantsy izy taorian’izay. Vaky be ny lohany ary nivoa-drà ny masony sy ny orony, araka ny loharanom-baovao hatrany.

Lehilahy iray mitana toerana ambony no nampitsahatra ny vono fa raha tsy izany dia mety tapitra teo ny ain’ity jiolahy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana izy avy eo ary atahorana ihany ny ainy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre