Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Manaintaina !

Dia marina tokoa io fitenin-jatovo io izay milaza ny tsy fisiana, tsy fananam-bola, tsy fisian’ny asa ho atao, sy ny fahantrana hita taratra eny amin’ny tava ary tsy miafina amin’ny rehetra satria dia maina sy kina anie ny tena e! Satria dia manaintaina ny any anaty rehetra any, sahala amin’ireny nodoron’ny afo ireny mihitsy ary avy eo dia notondrahana vinaingitra ny fery. Hany ka na eny an-dalana rehetra eny aza dia tsy mahajery olona intsony, toy ny misoritra eny amin’ny tarehy eny mihitsy ny kaikitry ny adin-tsaina mikiky ny ao an-doha ao. Indrindra moa amin’izao andro fety izao izay fotoana tokony mba hiantsenana : eo aloha ny fitafiana sy ny kiraro ka tsy olana mihitsy ny … miondrika eny amin’ny fripy eny fa rehefa mba misy tsaratsara azo hanaovana dia efa … « izy koa izay ». Toy izany ihany ny sakafo izay mba tokony hatao metimety sy miova amin’ny mahazatra amin’izato « romazava be rano sady halako mandany sira » lava izao. Eny fa na dia hatramin’ny alahady aza hatrizay dia anana asiana menaka kely, na voatavo sy saosety, na ihany koa voamaina maro isan-karazany, no zakan’ny fahefa-mividin’ny 92%-n’ny vahoaka malagasy. Dia izay ilay mba hoe miova kely amin’ny mahazatra mandritra izao vanim-potoan’izao fety izao.

Ary marina tokoa izany, raha toa ka mba lasa any amin’izany sakafo atao amin’ny noely sy ny taom-baovao izany ny sainy dia efa mitelin-drora sahady manonofy akoho saosy, na henomby ritra, na hena kisoa sy ravitoto, sy ny vorona isan-karazany e! Asiana lasary karaoty arahina ranovola manitra tsara dia aoka fotsiny fa feno ny hafaliana hiaraka hihoby ny fahatongavan’i Jesoa Zazakely. Ny amin’ny voalohan’ny taona indray kosa dia tsy maintsy mba arahina “ody tahotra” kely satria ilaina mihitsy ny mifandona vera kely miaraka amin’ny fianakaviana, ary ny tapaka sy namana. Ny amin’io indray dia tsy dia ilaina firy ny “tsakin’ady” fa ny lasary manga no tena manome toky. Efa miakatra mantsy amin’izay fotoana izay ny manga avy eto afovoan-tany, irony efa “sômasôma” tsara irony ka tsy ilaina vinaingitra fa voasary makirana indray mitete dia ampy hanome hanitra manokana ny fiaraha-misotro.
Hatreto aloha dia mbola mijanona ho nofinofy izany rehetra izany satria amin’ity herinandro ity dia mbola ry “rabainina” sy ry “rabaofy” no mandray “pension”. Io koa anefa tsy mbola tena azo antoka tanteraka hatramin’ny nisian’ny lalin-tsaina tao amin’ny ministeran’ny Vola ka nahitan’ireto farany hevitra ny hanovana ny karatra fandraisana ny fisotroan-dronono. Ka raha misy tokoa moa izany ny voasivana ao anatin’ity hetsika ity, dia iza no afaka hanambara amin’ny vahoaka fa ireto ny vola azo tamin’izany? Dia hatao inona avy eo? Ny tena marimarina kokoa, inona no porofo hilazana fa ireo vola voatsitsy dia niverina tokoa ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana fa tsy nataon’ny lalin-tsaina am-paosy ka nanaovany fihinanam-be amin’izao noely sy taom-baovao izao? Ary mety hahavitana trano be mihitsy aza ka mba hahatsiarovana ity hafetsifetsena goavana sy fitsetsefana malalaka ny herim-pon’ireo beantitra dia ampitondraina ny anarana hoe “Villa La retraite” ilay fananana. Dia misy tokoa ange ny mpiasam-panjakana tsy matahotra an’Andriamanitra mihitsy e! Fa dia migoka soamantsara, tsy misy eritreritra manenjika, ny hatsembohan’ny hafa ka hanainga ny tanany hampiakatra ny vera rehefa tonga ny fotoan’ny asaramanitra.
Ho an’ny mbola am-perin’asa dia mila miharitra kely fa amin’ny herinandro ambony dia efa mandimandina tsara ny molotra. Saingy ny ampahany vitsy dia vitsy ihany ireo satria raha ny tahan’ny tsy fananan’asa eo amin’ireo tanora fotsiny ohatra dia efa mahatratra ny 70 isan-jatony. Ireo izany dia isan’ny mitaraina fa manaintaina lava, kanefa mba manana olon-tiana sy mba te-hanao ny fanaon’ny tanora rehetra ihany, toy ny miala voly, mitsangatsangana, milalao baolina, manao fanatanjahan-tena, miankanjo lamaody, sy ny sisa maro tsy voatanisa. Kanefa moa araka izany tsy afaka mankaiza satria tsy misy ny ho enti-manana. Toy izany ihany koa ireo izay nifofotra mafy tamin’ny fianarana ka nandanian’ny ray aman-dreniny izay rehetra teo am-pelatanany kanefa dia tsy mahita asa ihany koa. Dia manantaina lava eny, mitovy amin’ny tsy an’asa rehetra sy ireo voaroaka tamin’ny asany. Tsy lazaina intsony moa izany ireo tsy nanana izany fahefana hanohy fianarana izany ary dia izay no mandrafitra ny ankapoben’ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny. Mazava araka izany raha toa lasa firenena “manaintaina” i Madagasikara ary manginy fotsiny ny ataon’ny mpitondra.

Jean Luc RAHAGA

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre