Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Hetsika asan-dahalo – Notoloran’ny Sina « Gilets pare-balles » ny Zandarimariam-pirenena

Manodidina ny 50 000 ka hatramin’ny 60 000 no isan’ireo sinoa monina sy miasa eto Madagasikara ary ny ankamaroan’izy ireo dia saika mivangongo eny Behoririka. Ho fiarovana azy ireo sy ny fananany dia nanolotra « Gilets pare-balles » miisa 100 ho an’ny Zandarimariam-pirenena malagasy ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina. Fiaraha-miasa izay tafiditra ao anatin’ny hetsika asan-dahalo.

« Ny hanamafisana ny fandriampahalemana, ny fiarovana ny olona sy ny fananany, indrindra fa ireo teratany sinoa dia mandray anjara izahay amin’ny fanomezana fitaovana ny mpitandro ny filaminanaResy lahatra izahay fa tokony hisy ny fiarovana azy ireo ary vonona hatrany ny hanampy, hifampidinika amin’izany resaka tsy fandriampahalemana izany izahay », hoy ny ambasadôron’i Sina, Yang Min. Omaly, no natolotra tamin’ny fomba ofisialy izany, teny Betongolo, izay notronin’ny Seg, ny « général de Corps d’armée, Paza Didier, ho fiarovana ny ain’ireo mpitandro filaminana manao iraka amin’ny fampandrian-tany. Maharitra 8 taona ny asan’ity “gilet pare-balles” ary efa manaraka ny teknolojia izay mahazaka maripana -20°C ka hatramin’ny 56°C. Azo sasana tsara, ary tsy afaka mipetraka izay mitondra azy, atao mitsangana tsara ny fametrahana azy, miankina amin’ny  zavatra ihany koa fa tsy azo adaboka.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre