Fifidianana ho filohan’ny Oniversite – Ho tanterahana ny 16 desambra ny an’i Toamasina
Tapitra ny volana febroary ho avy izao ny fe-potoam-piasan’ireo filohan’ny Oniversite rehetra. Taorian’ny fivorian’ny komity mpikarakara ny fifidianana, ho tanterahana rahampitso alarobia 16 desambra ny fifidianana izay ho filohan’ny Oniversiten’i Toamasina. Miisa 2 ireo kandida. Mbola hilatsaka hifaninana ny filoha am-perin’asa. Telo taona no notantanan’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Velo Jerôme.
Nametraka fiovana lehibe teo amin’ny tantaran’i Barikadimy ny tenany, raha oharina tamin’ireo mpitantana nifandimby teo aloha. Sahy nanala ireo mpianatra an’arivony nidongy trano tao izy ka nitarika tamin’ny fanadiovana tanteraka ny mpianatra monina tao sy ny fanatsarana ny foto-drafitr’asa. Noho izany, misongadina ity filoha amperin’asa ity manoloana ireo fanovana vitany.
Ny alakamisy 17 desambra kosa ny fifidianana « Doyen », raha ny 22 desambra ny an’ny filohan’ny fikambanam-ben’ny mpampianatra sy ny solontenan’ireto farany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







