Vous êtes ici :

Mercredi 04 Février 2026

ombre

Fifamoivoizana – Be ny “accident” ataon’ny scooter

Tsy vao ny gazety no mitantara ny loza ataon’ireny kodiaran-droa ireny ary saika isaky ny herinandro dia miteraka faty olona foana. Vao haingana no namoaka didy ny mpitandro filaminana fa tsy azo atao intsony ny mitondra zaza amin’ny môtô sy ny manao taingin-telo kanefa dia andro vitsivitsy foana aty aoriana dia iny fa miverina ny lalan-dririnina. Dia toy izany ihany koa ny tsy maintsy hanaovana aro-loha, na ho an’ny mpitondra na ihany koa ho an’ny entina. Hentitra dia hentitra ny polisy sy ny zandary tamin’ny voalohany saingy tato afara dia nojerem-potsiny izany fandikana lalàna izany.Ny nahagaga ny maro aza dia ireo mpitandro filaminana ihany no tena mampianatra ny hafa tsy hanara-dalàna.

Omaly hariva tamin’ny 7ora sy sasany izao tetsy Ambohimanambola dia nisy scooter nanao “accident” ary dia nijininika tokoa ny ra. Tsy nisy nanao “casque” izy roalahy nitaingina môtô ireto ka be no nilaza fa sarotrarotra ny fandidiana ny amin’ny ho avin’izy ireo. Ary raha toa ka tsy maintsy atao ny fitsaboana dia heverina fa hasirasira be ihany ny faktiora ho aloan’ny fianakavian’izy ireo. Aoka hitandrina ary ny rehetra satria fotoana fanaovana “inventaire” ihany koa izao any ambony any.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre