Fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana – Sekoly 1000 any ambanivohitra ametrahana herinaratra
70 isan-jaton’ny mponina aty amin’ny kaontinanta Afrikana no mbola tsy manana herinaratra, ka tafiditra ao anatin’izany ny 50 isan-jaton’ny zaza mianatra any an-tsekoly eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanomezana jiro ho an’ny rehetra dia sekoly ambanivohitra mihoatra ny 1000 no ametrahana ny herinaratra azo havaozina manomboka amin’ny taona 2016. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fampiharana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra. Eo ihany koa ny fampitoviana ny fari-pahalalan’ny mpianatra an-drenivohitra sy ambanivohitra satria efa tafiditra amin’ny fampianarana nomerika i Madagasikara.
Ny fanatanterahana ity tetikasa ity dia iarahan’ny Unesco, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Ofid ary ny Panasonic miasa. Ny Unesco no efa nisantatra izany tamin’ny andrana tao amin’ny Faritra Analamanafa, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Itasy ary Amoron’i Mania, ka sekoly miisa 15 no efa nametrahana herinaratra, azo avy amin’ny herin’ny masoandro, sy ny fitaovana informatika. Ny minisiteran’ny Fanambeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra kosa no hanohy ny asa fanaparitahana ny herinaratra any amin’ny sekoly ambanivohitra amin’ny alalan’ny tetikasa famatsiana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro.
Omaly no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fikaonan-doha momba ny angovo azo havaozina, teny amin’ny Hôtel Carlton, eny Anosy, izay haharitra telo andro. Hisy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fomba famatsiana sy ametrahana ny herinaratra azo havaozina.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







