Ambatobe – Ankizivavy iray naratra voatsindrona antsy
Amin’ny anaran’ny tany tan-dalàna dia tsy mikoso-maso mena manoloana ny ramatahora isan-karazany sy famiravirana vola (kolikoly avolenta) ny rain’ilay zaza latsa-drà fa hiady hatramin’ny farany. Ny zoma izao ny ahitana ny tohin’ity raharaha ity. Hiaro ny olona malemy sy ny osa manana ny rariny ve ny fitsarana ?, sa . . . Ny tranga toy izao no mampitroatra ny fitsaram-bahoaka eto amintsika sy mampahazo laka ny tsy maty manota.
Tovolahy iray 18 taona mamon-drongony sy toaka nanindrona antsy zazavavy tsy ampy taona, ny alin’ny asabotsy teo, teny Ambatobe Nanisana. Raha tsy nahay niala ity ankizivavy ity dia tany amin’ny kibony no nisolifatra ny zava-maranitra, ary faty nihosin-drà no noraisin’ny fianakaviany. Niantefa teo amin’ny tanany ny lelan’antsy, ka niboba ra. Nokarohina ilay tovolahy nahavanon-doza ka tratra tao an-tranon-drainy. Ilay niharam-boina tonga nampahafantatra ny habibiana vitan’ity tovolahy mpietraketraka ity kanefa izy indray no nahazo rahom-bava sy natao roaka alika. Tampoka teo, nipoitra avy any an-trano indray ilay tovolahy mpamono olona niaraka amin’ny zava-maranitra, ary saika hanindrona antsy fanindroany an’io zazavavy io, nefa nalaky voarain’ny rain’ity farany ny zava-maranitra, raha tsy izany dia nandriaka indray ny ra. Io alina io ihany, nametraka fitoriana momba ity vono olona sy fandratrana niniana natao ity ny rain’ilay zazavavy niaraka amin’ny porofo rehetra.
Gadra lava
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ilay mpamono olona ary natolotra ny fitsarana omaly. Kanefa tampoka teo nahemotra ny zoma izao indray raharaha, satria hono nametraka fitoriana amin’ny alalan’ny fiarovan-tena sadasada ny voatory. Amin’ny filazana fa niditra an-keriny tao aminy hono ny niharam-boina. Valalanina ireto farany nanoloana izany. Mirehareha ireo fianakaviana miaro mpamono olona fa manana olona ambony miaro azy,ka tsy misy dikany amin’izy ireo izany fitsarana izany fa voavidiny. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia voasaringotra matetika amin’ny heloka mamoafady ary matetika miditra « violon » ity tovolahy mpietraketraka ity, nefa dia arovan-drainy foana amin’ny ratsy ataony, ka mitombo isan’andro ny fahotana mahafaty vitany. Hatramin’ny renikeliny aza nanaovany fihetsika mamoafady.
Eric
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







