Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fahazarana mandroso mihemotra

Tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny laza ratsy ananan’ity firenentsika ity amin’ny fihemoran-dava izao mankany amin’ny fahantrana isak’izay misy fifandimbiasam-pitondrana eto. Toa zary efa mahazatra ny mandre fa ny tsara izay vitan’ny teo aloha foana no mahafinaritra ireo mpandimby ny mandrava sy mamotika azy. Dia toy izany foana hatrany hatrany no zava-misy teto anivon’ny Riaka teto ! Mampalahelo sy mampitroatra ny saina sy fo ary fanahy mitempo ho an’ny Tanindrazana !

Izao indray dia manao sesilany ny fomba sy fihetsika mamohehatra afitsoky ny tompom-pahefana manolona ny filazany sy fahitany fa tsy mifanitsy amin’ny lalàna manan-kery! Dia tsy vitsy no mandiso avy hatrany izany fijery izany ka tsy misalasala fa very tanteraka ny fanjakana tan-dalàna eto amintsika. Ho an’izay efa voky taona dia mahatsiaro ny fomba fanaon’ireo mpitondra teo aloha rehefa mihevitra fa misy misikotra amin’ny toerany.

Ahoana tokoa moa no hanazavana ny tetika ambadika isan’andro mihiratra andotoana sy anelezana lainga marivo tototra ho an’ireo izay sahy miseho fa tsy mitovy fijery amin’ny fitondrana izay misora-tena fa tompon’ny maro an’isa ka tsy maintsy toavina satria izay no fenitry ny demokrasia. Dia voabaiko ny lalàn’ny maro an’isa tokoa ny fiainam-pirenena ka tsy mahazo avara-patana izay mijoro ho manan-kevitra hafa sy manohana foto-kevitra tsy lanin’ny vavonin’ny ao ambony ao!

Tsy an-tsaha, tsy an-tanan-dehibe! Isan’andro vaky izao  ahitana soritra izany tsy fahazakana ny zon’ny vitsy an’isa izany ! Fa raha mpiasam-bahoaka ianao dia esorina amin’ny toerana sahanina! Ka raha mpanao politika ianao dia iharan’ny antsojay sy ilana vanona amin’izay mety fihetsika na teny ataonao! Manginy fotsiny ny fanilikilihana eny anivon’ny fiaraha-monina ! Dia tena atao mihitsy izay hahaleo monina ka tsy mahagaga raha sesilany ireo zary manao sesintany tsy fidiny ny tenany!

Io fivoahana na fialana na fitsoahana ny Tanindrazana io moa dia tsy tena zava-baoavao eo amin’ny tantaram-pirenena. Na izany tetika hanavotana ny aina (toy ny an-dRamanetaka tany aloha tany), na io tetika kobonin’ny tompom-pahefana anilihana sy handemena “fahavalo ara-politika. Natao izany tamin’ny vanim-potoan’ny fanjanahantany. Nisy izany nandritry ny fahaleovantena azo indray. Ary tsy mbola lany tamingana hatrizao isika miteny teny izao!

Koa atao mahagaga ve raha mikoroso fahana ny firenena satria diso fahavalo foana izay mpitondra mifandimby teto? Very fotoana sy mifanipaka an-toerana toy ny valala an-karona ka adino ny tena fanamby miandry ny firenena! Kanefa anie dia samy mirehaka fa mahavita izao sy mahay mamolaka fahaizana sy fahalalana noratovina eraky ny vazan-tany efatra ! Aiza anefa izay vokatr’izany eo ? Fampandriana andrisa sy kobaka am-bava ary ronono an-tavy no betsaka eto ! Zary tsy to tena sy ataon’ny olona (mba tsy ilazana hoe hatramin’ny ankizy) oha-pitenenana hihomezana izay rehetra mivoaka ny vavan’ny mpitondra!

Kanefa anie dia io fifampitokisana sy fifanomezan-tanana eo amin’ny entina sy ny mpitondra io no kitro ifaharan’ny fahombiazana na taiza na taiza firenena nijoro ka natanjaka ary namaky ny vanim-potoana rehetra ny lazany ! Maro ny ohatra azo raisina amin’izany na dia ireo salorana laza ratsy toy ny fitondrana jadona aza aty aorian’ny firodanany! Ny antsika moa dia io tsy mijoro ho toraham-bato io ary tsy lavo alevina impito mandifotra olona ! Ny antenain-ko faty toa ela velona, ny irin-ko lava velona zary mandalo toy ny rivotra ankadilalana, mandalo mihelina dia izay no vita !

Solo R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre