Ikalamavony – Olona telo maty nilatsaham-potaka
Nahafaty olona telo ny kotro-baratra narahin’oran’ andro izay namely mafy dia mafy tany Ikalamavony, tao amin’ny kaominina Ambatomainty, ny alahady lasa teo. Nikija dia nikija ny orana ary nirefodrefotra ihany koa ny varatra. Miisa efatra ireo olona nipoahan’ny varatra ka ny telo amin’ireo dia miaramila mpampandry tany mamita iraka any an-toerana avokoa ary mpampianatra ny fahaefatra. Roa tamin’ireo miaramila no namoy ny ainy fa ny iray hafa naratra mafy. Araka ny loharanom-baovao dia maty tsy tra-drano ireo olona telo ireo. May tanteraka mantsy izy ireo. Voalaza fa may ihany koa ilay miaramila naratra mafy ary ahiana ny toe-pahasalamany. Ny alatsinainy teo no nandefa angidim-by tany Ikalamavony ny lehiben’ny Etamazaoro naka ireo razana sy ilay naratra mafy. Efa natolotra ny fianakaviana izy ireo raha toa ka manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay miaramila naratra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







