Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambatondrazaka – Nirefotra ny basy, jiolahy maromaro voasambotra

Mahazo vahana ny fanafihana mitam-piadina any an-tampon-tananan’Ambatondrazaka. Miara-manaiky ny mponina fa miha mahazo laka ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Tokantrano iray indray no nokasain’ny andian-jiolahy hidirana an-keriny, tao amin’ny zana-bohitra Antsahalava, fokontany Ambohimasina, ny alahady alina teo. Nisy nahatsikaritra anefa ireo jiolahy nandritry ny fiakarana ny rihan’ireo lasibatra. Raikitra ny tsioka kiririoka nanerana ny tanàna ary nisy ihany koa ny nampandre ny polisy. Tonga ara-potoana teny an-toerana ireto farany ka raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta ka jiolahy maromaro no tratra fa ny ambiny kosa tafaporitsaka. Ny fahamaizinan’ny toerana, noho ny tsy fisian’ny jiro no olana, araka ny fanambaran’ny mpitandro filaminana. Efa mandeha ny fikarohana an’ireo jiolahy tafatsoaka.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre