Ankazoabo – Omby 300 lasan’ny dahalo, fokonolona iray naratra
Nitrangana fanafihana dahalo mitam-piadiana indray tany Soatana, 15 kilometatra avaratra Ankazoabo, omaly maraina, tamin’ny 7 ora tany ho any. Andian-dahalo maromaro no tonga nandroba valan’omby iray tao an-toerana ka lasa nandritra izany ny omby miisa 300. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny fandalovana sy fivoahan’ireo mpanafika mba ampihorohoroana ireo lasibatra saingy tsy nanakana azy ireo hanohitra ireo dahalo izany. Nanao ny fanarahan-dia azy ireo avy hatrany mantsy ny fokonolona ka raikitra ny fifandonana tamin’ny roa tonta. Vokany olona iray naratra mafy voan’ny balan’ireo olon-dratsy. Tsy vitan’izay fa mbola nalain’izy ireo ihany koa ny basin’ilay naratra ary nanohy ny diany ireto jiolahy.
Araka ny loharanom-baovao, taorian’io tranga io vao nampandre ny mpitandro filaminana ny voatafika. Nidina teny an-toerana ireto farany nanao ny fizahana, ka miaramila miisa 22 amin’ny hetsika fahalemana no nanao fanarahan-dia indray avy eo.
Tsy fantatra anefa na misy ambadika politika na fifandrifian-javatra tsotra izao fa io olona voatafika io dia isan’ireo naka ny ombiny tao amin’ny valan’ombin’ny solombavambahoaka Mara Niarisy. Misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







