Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Behoririka – Andian’olona saika handroba tao amin’ny Golden center

Olona maro no nihodinkodina manoloana ny tranombarotra « Golden center » omaly maraina, nikasa handroba izy ireo. Tsy kely làlana tokoa ny mpanao ratsy ary tonga amin’ilay fitenenana hoe: ny fahorian’ny sasany fifalian’ny hafa. Manoloana ny fahamaizina nahazo ity tranombarotra ity, ny alatsinainy tolakandro teo, dia mbola misy ihany ireo olona manana fikasan-dratsy.

Noho izany dia voatery nanidy trano avokoa ireo fivarotana rehetra manakaiky ny Golden center. Mba hisorohana ny tranga tahaka ny tamin’ny 2009 iny, niantso ny Emmoreg avy hatrany ireo sinoa manana tranombarotra eny Behoririka hanara-maso sy hiambina iny toerana iny sy ny manodidina azy. Voatery nakatona ihany koa iny làlana mihazo ny Golden center iny, ny marainan’ny talata hatrany.

Raha tsiahivina, may kilan’ny afo ny tranombarotra « Golden center », ny alatsinainy nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro ary tsy maty mihitsy ny afo raha tsy efa tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Fipoahan’ny herinaratra nandritra ny fanaovana « soudure » tao amin’ny « sous-sol » no nahatonga ny fahamaizina. Potika ny tranombarotra ary saika may avokoa ireo entana rehetra tao anatiny. Tombanana any amin’ny miliara ny teti-bidin’ny zavatra may.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre