Savorovo faramparany !
Roa herinandro sisa dia hivalona ity taona 2015 ity nefa dia tsy mety milamina mihitsy ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Tsy eo amin’ny resaka politika ihany fa hatrany amin’ny fiaimpiainan’ny mponina andavanandro mihitsy. Tsy voafehin’ny ao amin’ny kaominina intsony izao ny fandaminana ny fifamoivoizana sy ny tsena ka voatery novaina ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka mandalo ao afovoan-tanàna. Midika izany fa tsy misy ny ezaka fa manaiky ho resy ary manaraka ambokony ny korontana ateraky ny mpivarotra amoron-dalana ny mpitantana ny kaominina. Misavorovoro tanteraka ny fiainan’ny mponina eto an-drenivohitra satria ny fako miavosa ary ny fifamoivoizana mikatso. Fety ny ao an-tsain’ny maro nefa fahasahiranana sy fahasorenana no miandry raha vao mivoaka ny trano. Ny firongatry ny olon-dratsy amin’izany tsy resahina intsony. Misy anefa ny antsoina hoe polisy kaominaly izay tena tompon’andraikitra feno amin’ny fitandroana ny filaminana eto anivon’ny renivohitra. Efa tsy mahavita ny fandaminana ny tsena sy ny fifamoivoizana izy ireny dia mila miasa amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tokony aparitaka isam-pokontany sy eny anelakelan-trano eny ireo polisin’ny kaominina sy ireo be sandry mba hanome tanana ny vahoaka manoloana ny mpanendaka sy ny mpanao sinto-mahery.
Ankoatra ny eto an-drenivohitra dia tsy milamina ihany koa ny fitantanana eo anivon’ny fitondrana foibe. Efa hifarana ny taona nefa raha manao jery todika dia savorovoro sy tsy fahombiazana no betsaka. Tsy azo atao ririnin-dasa tsy tsaroana ny fifandonana matetika nisy teo amin’ny andrim-panjakana roa dia ny Antenimieram-pirenena sy ny Governemanta. Efa im-betsaka saika rava ny fahefana mpanatanteraka nefa mbola io tafajanona io ihany satria nahay nanambitamby ny maro an’isa amin’ireo solombavambahoaka, izay be sinema fotsiny, mba ahazoana tombontsoa manokana fa tsy nahavita asa mivaingana ho an’ny vahoaka akory. Vitsy ary tena azo isaina amin’ny ratsan-tànana ireo depiote tena sahy nijoro sy niady ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Ireo vitsy kely mba manao ny adidiny ireo indray, dia ny mpifidy azy ihany, no jereny nefa solombavambahoakan’i Madagasikara no anarana isalorany. Henatra ho an’ny malagasy ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka ary modely ratsy ho an’ny taranaka satria mampiseho ny toetra tsy mendrika rehetra izay mifototra amin’ny fankafizana ady sy ny fitiavan-tena.
Efa zarina miaina ao anaty savorovo ny vahoaka malagasy ka toa lasa faly amin’ny loza sy ny fahoriana aza matetika. Ireo vaovao miresaka loza mahatsiravina, eny hatramin’ny tsaho sy ny atsanga tsy aman’orana indray no lasa mahaliana ny mpanara-baovao ankehitriny. Tsy afa manohatra rahateo ny mpanao gazety satria ireny zava-dratsy ireny hatrany no misongadina ankoatra ny dokam-barotra izay hikirakirain’ny mpandraharaha vola be mba andafosana ny tolotra aroson’izy ireo.
Manaiky ny tsy mety sy ny tsy ara-drariny ny vahoaka satria manantena fa savorovoro faramparany izao fahantrana lalim-paka ampian’ny tsy fandriampahalemana sy heloka bevava maro tsy tambo isaina mitranga eto amin’ny firenena izao. Tsy kivy ary velom-panantenana sy miandrandra hatrany ny rehetra fa hisy ny masoandro vaovao mihiratra amin’ny taona ho avy. Ny manantena tsy misy anefa no sarotra fa ny mamoy mora foana satria raha ny lojika no jerena dia vao mainka hihamafy noho izao ny fahantrana amin’ny taona ho avy. Ireo tompon’andraikitra efa tsy nahavita hatramin’izay ihany mantsy no hitantana eo ary mbola hanohy ny fomba fiasany efa nandiso fanantenana nandritra ny roa taona. Ary hamaritra zato andro vaovao izay havaozina isan-telo volana mandra-pahatrarana ny tanjona dia i Madagasikara firenena fadiranovana indrindra maneran-tany!
Ravao tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







