Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Fenoarivo Atsinanana – Olona 19 naratra mafy navadiky ny fiara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena Rn5, izay mampitohy an’i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo, ny talata, tamin’ny 4 ora hariva. Fiara fitaterana iray avy any Soanierana Ivongo hihazo an’i Toamasina no niharan-doza rehefa tonga tany amin’ny fokontany Vohibato Tanambao Tampolo, kaominina Ampasina-Maningory, ao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Tsy nahatana ny familiana intsony ilay mpamily ka nitarika ny fivadihan’ny fiara. Vokany, olona miisa 19 naratra mafy. Vaky loha sy tapa-tongotra ary tanana ny ankamaroan’ireo mpandeha.

Ny enina tamin’ireo naratra, izay tena voa mafy, voatery nalefa haingana namonjy ny hopitaly Be any Toamasina raha manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly Fenoarivo Atsinanana kosa ny ambiny. Manoloana ny voina nahazo ireo mpandeha dia nandray ny andraikiny ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo amin’ny fiantohana ny saram-pitsaboana rehetra mahakasika ireo niharan-doza.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre