Nosy Be – Lehilahy iray maty nofaohan’ny Bajaj
Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tany an-tampon-tananan’i Nosy Be Hell-Ville, ny alahady teo, tamin’ny 4 ora hariva tany ho any. Lehilahy iray mamo tampina izay nikivilavila teny amin’ny arabe no avy hatrany nofaohin’ny Bajaj sendra nandalo. Nandeha mafy be ity farany, araka ny loharanom-baovao, raha nipoitra tampoka ilay lehilahy mamo. Niezaka niala azy ihany ilay mpamily, hoy hatrany ny vaovao voaray, saingy vao mainka nirona nakany aminy ity mamo ka voafaoka avy eo sady mbola nipitika tany amin’ny roa metatra. Naratra mafy vokatr’izany ilay mamo, ka nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Kanefa teny an-dalana dia tsy tana intsony ny ainy,noho ny fahaverezan-drà be loatra.
Raha tsiahivina, ny alahady teo ihany saingy tamin’ny 2 ora maraina, Bajaj nijanona teny amoron-dalana no notrongisan’ny fiara 4×4, tao Dar es salam, tany an-toerana hatrany. Nipitika avy hatrany ilay Bajaj sy ny mpamily azy, raha toa ka nivadika ambony ambany ilay fiara tsy mataho-dalana. Samy naratra avokoa ireo mpamily roa ireo tamin’izany ka ny iray tapa-tongotra fa ny faharoa kosa tapa-tanana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







