Lisea Ambatomainty – Tsy maharaka ny isan’ny mpianatra ny dabilio
Ho an’ny taom-pianarana 2015-2016 dia tafakatra 214 ny isan’ny mpianatra any amin’ny Lisea Ambatomainty, distrikan’Ikalamavony, ka lasa miteraka olana eo amin’ny sekoly, noho ny tsy fahampian’ny efitrano fampianarana. Raha ny kilasy faha-10 ihany izao dia efa mahatratra 80 ny isan’ny mpianatra ao anaty efitrano iray, araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitry ny sekoly, ka voatery mindrana ny efitranon’ny kaominina mba hianaran’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana.
Ny lisea Ambatomainty, niorina tamin’ny taona 2011, izay misy efitra roa ary efa nahazo “décret de création”avy amin’ny fanjakana tamin’ity taona 2015 ity. Lasa olana ho an’ny sekoly izay efitra roa izay, noho ny fahamaroan’ny mpianatra satria lasa tsy maharaka azy ireo ny dabilio ao amin’izany sekoly izany. Manoloana ity olana atrehan’ity sekoly ity dia ireo mpianatra no tena lasibatra fa mahatsiaro ho sahirana satria tsy fantatra intsony ny zavatra lazain’ny mpampianatra, hany ka lasa miteraka fahasorenana ho azy ireo. Na mihaino ny fanazavana aza sarotra. Mangataka amin’ny fanjakana mahefa, noho izany, ny tompon’andraikitra any amin’ny lisea Ambatomainty mba hijery akaiky ny fampianarana any an-toerana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







