Andoharanofotsy – Fivarotana miisa efatra notafihana tao anaty delestazy
Nirefodrefotra indray ny feom-basy teny Andoharanofotsy, ny harivan’ny talata lasa teo, tokony tamin’ny 7 ora sy sasany, nandritra ny delestazy. Jiolahy miisa 10 nirongo basy poleta avy no nanafika fivarotana efatra tao amin’ny fokontany Volotara. Niandry ny fahatapahan’ny jiro ireo jiolahy vao nanao ny asa ratsiny. Talohan’izay anefa, efa nihaodihaody manodidina teo izy ireo nitady izay ho arapany saingy noheverin’ireo fokonolona fa ireo tovolahy eny an-toerana ihany ka tsy nisy niahiahy hoe mpangalatra.
Vao tapaka ny jiro dia nifampizara avy hatrany ireo olon-dratsy ary fivarotana efatra no lasibatra ka ny telo amin’ireo dia « épicerie » raha toa ka fivarotana hena ny iray. Lasan’ireo jiolahy ny vola 65 000 ariary tao amin’ny « épicerie » voalohany ary sigara iray « paquet » sy finday iray kosa tao amin’ilay faharoa. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy anefa fa niverina tampoka ny jiro nandritra ny fanafihan’izy ireo ny trano fivarotana fahatelo, izay tena lehibe indrindra. Nanapoaka basy indroa izy ireo avy eo sady nandrahona ny mbola hiverina. Niala maina ihany ko izy ireto tao amin’ilay mpivaro-kena satria nisy mpiambina teo.
Nampandre ny zandary avy hatrany ireo lasibatra rehefa lasa kelikely ireo olon-dratsy fa araka ny loharanom-baovao dia ora iray taty aoriana iry voalohany vao nigadona teny an-toerana. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra. Tsikaritra fa saika isam-bolana dia hisehoana fanafihana mitam-piadiana foana eny amin’iny fokontany Volatara iny. Vao tamin’ny iray volana mantsy dia « épicerie » iray teo akaikin’ireo lasibatra ireo ihany no notafihan’ny andian-jiolahy izay nahalasana vola an-tapitrisa maromaro.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







