Tofoka tanteraka ny vahoaka !
Efa hifarana ny taona faharoa naha-teo amin’ny fitantanana ny Fanjakana ny mpitondra ankehitriny nefa tsy hita izay fanovana nentiny teo. Vao mainka aza nihamafy ny fahantarna ary miha sarotra ny fiainan’ny malagasy. Ireo tetikasa lehibe nolazaina fa laharam-pahamehana dia nivadika ho kilema sy henatra ho an’ny mpitondra. Voalohany amin’izany ny fanafoanana ny fahatapahan-jiro sy ny fanatsarana ny fitantanana ny orinasa Jirama. Tsy ampy iray andro taorian’ny fanambaran’ny minisitry ny Angovo, fa efa miroso amin’ny fanatsarana ny famokarana sy fitsinjarana herinaratra ny Fanjakana dia notapahin’ny Jirama nandritra ny tontolo andro ny jiro teto an-drenivohitra. Tsy mety diso fa manana fanazavana ara teknika hatrany ny Jirama. Nefa raha ny fijeren’ny vahoaka dia tena misy sabotazy mihitsy ataon’ny tompon’andraikitra sy mpiasa ao amin’ity orinasam-panjakana ity. Ady eo amin’ity orinasa ity sy ny Fanjakana manokana anefa izany ka ny mpanjifa tsy manan-tsiny hatrany no lasibatra. Tsy vitan’ny hoe miteraka fikorontanana eo amin’ny fiainana andavanandro ary ihany koa mampiditra fatiantoka amina miliara ho an’ireo manao asa fivelomanana mampiasa herinaratra izany fa simba avokoa ny fitaovana isan-karazany any an-trano. Tsy misy filazana mihitsy hoe ho tapahina ny jiro satria tsy ampy ny solika fa tonga dia niaka-midina ny herinaratra ary avy eo tapaka tanteraka. Marobe ny olona no mitaraina fa simba ny fitaovana izay avy novidiana amin’izao ankatoky ny fety izao ary raha ny lalàna dia tokony manolo izany ny Jirama. Hatreto aloha dia sarotra ho an’ireo lasibatra ny hanantena fa ho soloin’ity orinasam-panjakana ity izay efa mitsipozipozy noho ny tsy fahaiza-mitantana, ny fanodikodinam-bola ary ny kolikoly. Ny mpitondra Fanjakana rahateo efa zatra mpialangalana tsy hijoro velively hiaro ny zon’ny vahoaka ka hanery ny Jirama hanamboatra sy hanolo ireo fitaovan’ny olona izay simba.
Ankoatra ny Jirama, lasa henatra ho an’ny malagasy ihany koa ny orinasa Air Madagascar izay tena manala-baraka tanteraka eto an-toerana sy hatrany ivelany. Tsy matihanina ary tsy mahalala fomba ireo mpiasa sy tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa ity satria tsy mba mampilaza mialoha fa ho foanana sy tsy hisy ny sidina. Efa laza-ratsy mihitsy io fomba fiasa io ka mahatonga ny ankamaroan’ny mpandeha fiaramanidina hisafidy ireo kaompania avy any ivelany izay manaja tanteraka ny fenitra sy fepetra takiana amin’ity karazam-pitaterana ity.
Ny seranam-piaramanidina eny Ivato moa dia tsy resahina intsony ny fitavozavozana sy kitoatoa ataon’ireo mpiasa misahana ny fikarakarana ny mpandeha vao hiainga sy ireo vao tonga. Marobe ny entan’olona simba sy very nefa mifanilika fotsiny ireo heverina fa tompon’andraikitra. Toy ny fako ny fanimpazan’ireo mpibata entana ny valizin’olona ary tsy te hahalala izy ireo na misy zavatra mora simba anatin’izy ireny na tsia. Tsy mazava tsara ihany koa ny fepetra mikasika ny fitondrana vola vahiny mivoaka an’i Madagsikara satria misy ireo savaina ary misy tsy savaina. Misy angatahana taratasy manokana ary misy tsy mila mampiseho izany. Reharehan’ny malagasy ny Air Madagascar teo aloha nefa ankehitriny lasa henatra. Efa nandaniana vola be nividianana fiaramanidina vaovao nefa tsy hita izay vokatra avy amin’izany hatreto.
Santionany amin’ny tsy fahombiazan’ny mpitondra ireo tranga mahazo ny Jirama sy ny Air Madagascar ireo fa saika ny sehatra rehetra dia mitovy amin’izany avokoa. Leo sy tofoka tanteraka ny vahoaka ary tsy manantena na inona na inona amin’ity fitondrana ity intsony. Samy manavotra ny tenany sisa izao satria raha ny Fanjakana no ianteherana dia mitombo isa hatrany ireo maty an-dalana noho ny hanohanana sy ny aretina. Ny Governemanta tsy menatra akory milaza sy manambara fa nahafa-po ny vokatra vita tao anatin’ny 100 andro farany.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







