Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Faritra iva – Sarety no lasa fitaovam-pitaterana

Sarety taritin-tanana sy posy sisa no fitaovam-pitaterana azo antoka fa tsy hampijabaka ny mpandeha ao anaty rano any amin’ny faritra iva manodidina an’Isotry. Na nitsahatra aza ny orana dia mbola mameno ny arabe sy ny tokontany ary tonga hatrany an-tokantrano ny rano. Tsentsina ny lakandrano Andriantany izay fantatra fa mampiangona ny rano ka ny mpivarotra sy ny mponina manodidina no nanao tsipaipaika hanakaramana olona hanala ny fako mba hampitsika ny rano.  Manoloana izany dia tsy hita izay tena fandraisana andraikitra nataon’ny kaominina fa samy manao izay hanavotana ny tenany ny vahoaka manoloana izao fiakaran’ny rano izao.

Misy ireo olona mikarama mampita mpandeha an-tongotra amin’ny posy sy sarety ka 200 ariary isan’olona ny saram-pitaterana. Tsy maintsy feno 5 ny isan’ny mpandeha, izany hoe vola 1.000 ariary no miditra any am-paosin’ny mpitarika posy na sarety vao mandeha izy ireo. Mahazo hatrany amin’ny 5.000 Ariary isaky ny fiakaran’ny rano ny mpitarika iray satria maro ireo olona tsy sahy miroboka ao anaty rano maloto fa matahotra ny areti-mifindra sy ny fisian’ny lavaka be mety hitera-doza.

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre