Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Andoharanofotsy – Nandravarava tao anaty haizina ny jiolahy

Nandravarava teto an-drenivohitra sy ny manodidina ny jiolahy ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Teny Andoharanofotsy sy Ankadifotsy no nahitana izany ka ireo mpivarotra enta-madinika sy mpivaro-toaka no tena lasibatra tamin’izany. Tsy fantatra na iray tarika ihany izy ireo fa mitovy ny fomba nanatanterahany ny asa ratsiny saria tao anaty oram-be sy haizina. Toa fantatr’ireo jiolahy fa variana misava fiara ao ampovoan-tanàna ny mpitandro filaminana ka nohararaotin’izy ireo hanafihana ny any anelakelan-trano rehetra any. Hita ihany koa fa toa matahotra orana ireo polisy satria tsy tazana eny ho eny mihitsy izy ireo raha vao mirotsaka ny oram-be. Amin’io fotoana io anefa no tena ilàna azy ireny any anelakelan-trano rehetra any satria tena tonga amin’ny fara-tampony ny tsy fandriampahalemana. Mandry andriran’antsy ny vahoaka indrindra ireo mpivarotra amin’izao ankatoky ny asaramanitra izao ka maro ireo manao antso avo mba ametrahana tetikady maty paika iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana sy hiarovana ny isan-tanàna.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre