Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Andralanitra – Olona miisa 60.000 notolorana 3 tapitrisa Ariary

Nanolotra fanampiana ho an’ireo mponina sy mpitsindroka fako eny Andralanitra omaly ny fiadidiana ny Repoblika. Nahitana vary sy menaka ary vatomamy ho an’ny ankizy ireo fanampiana ireo ary ihany koa lelavola mitentina 3 tapitrisa Ariary. Fantatra fa mahatratra hatrany amin’ny 60.000 ny isan’ny olona monina sy mivezivezy eny amin’ny manodidina an’Andralanitra ka ny 35.000 amin’ireo dia mpandalo fotsiny ihany. Anisan’ny tena olana goavana atrehan’ireo malagasy tra-pahasahiranana ireo ny fidofaky ny fofom-pako izay tsy mbola nahitam-bahaolana hatreto. Miparitaka ihany koa amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao ny lalitra izay ahiana hitondra areti-mifindra.

Amin’ny ankapobeny dia mpikapo-bato no tena asa aman-draharaha sahanin’ireo olona sahirana ara-pivelomana manodidina an’Ambohimahitsy sy ny toby misy an-dry mompera Pedro. Manampy betsaka azy ireo ity farany amin’ny famatsiana ireo zavatra ilaina andavanandro. Anisan’ny fepetra takiana hahazoana ny fanampiana ny fampianaran-janaka sy ny fahavitrihan’ny ray aman-dreny miasa.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre