Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Antananarivo renivohitra – Efa-jato tapitrisa ariary hanalana fako fotsiny

Be fako ny mponina sy ny mpandalo eto an-drenivohitra nefa vola be tsy toko tsy forohana no tsy maintsy laniana hanesorana izany. Tsy araky ny Samva sy ny tompon’andraikitry ny kaominina ny fanesorana ireo fako ireo ka tsy maintsy namoaka vola 400 tapitrisa Ariary ny minisiteran’ny Vola sy ny tetibola hanampiana ny Samva. Hanomboka anio ny fanesorana ireo fako amina taonina marobe ka ny toerana be olona toy ny tsena sy ny eny amin’ny faritra iva no hanombohana izany. Haharitra 15 andro eo ho eo ity hetsika fanesorana fako ity izany hoe hatramin’ny faran’ny  taona. Tsy vao sambany izao fa saika isaky ny fanombohan’ny vanim-potoanan’ny orana dia misavovona hatrany  ny fako eto an-drenivohitra ary tsy maintsy hamoahana vola be vao mba madiodio kely. Hita porofo fa tsy nivonona tamin’ny fiatrehana ny fanalana ny fako mihitsy ny mpitantana ny kaominina nefa izy ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahadiovan’ny tanàna. Variana mandray vahiny sy manao fandaminana anatiny ny ben’ny tanàna ka tsy mahatsinjo intsony fa miaina ao anaty fako sy loto ary ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny vahoaka.

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre