Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Diana – Mitombo isa ireo olona mitondra ny Vih/ sida

Nitombo ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida any amin’ny Faritra Diana. Miisa 91 izy ireo no fantatra mitonda ity areti-mifindra vokatry ny firaisana ara-nofo ity raha 7949 no vita fitiliana tamin’ity taona ity. Folo taona lasa, izany hoe tany amin’ny taona 2005, dia olona 65 no nitondra io tsimok’aretina io raha toa ka olona miisa 17004 no nanao fitiliana. Ireo tanora eo anelanelan’ny 17 ka hatramin’ny 35 taona no tena betsaka amin’ireo marary ireo. Ny tena olana dia tsy mahazo ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana sahaza azy ireo marary ireo ary ahiana hamindra amin’ny hafa ihany koa. Ny fitavozavozana eo amin’ny fanatanterahana ny fanentanana mahakasika ny ady amin’ny Sida no anisan’ny antony voalohany mampiakatra ny tahan’ny olona voan’ity aretina tsy misy fanafany ity. Somary nangingina ary tsy misy mihitsy, ivelan’ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny Sida ny fanentanana mahakasika izany. Miroborobo be anefa ny sehatra mampirisika ny tanora hiditra amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro ka mampifindra haingana ny aretina. Ireo sarim-bavy sy ireo midoroka zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona no tena lasibatry ny Vih/Sida eto Madagasikara.

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre