Belobaka – Nobahanan’ny mpitatitra ny lalana
Mitokona nameno lalana tao Belobaka ny mpitatitra avy aty Antananarivo. Tsy manaiky ny fampiharan’ny zandary ny lalàna mametra ny haavon’ny entana ho 80 sm izy ireo. Fotoana fanararaotan’ny mpitatitra hanonerana ny fatiantoka taorian’ny fidiran’ny mpianatra izao ka miezaka ny manao izay tratry ny heriny ampidirana vola betsaka indrindra araka izay azo atao izy ireo. Ankoatra ny fampakarana ny saran-dalana dia mampiakatra be ny vola miditra ny fitondrana entana.
Manoloana izany anefa dia tsy manaiky ny mpitandro filaminana misahana ny fifamoivoizana fa tsy maintsy arahina ny lalàna satria fotoanan’ny lozam-pifamoivoizana ny ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. Sady mihamaro ireo fiara mampiasa ny lalàm-pirenena. Malama sy miha simba ihany koa ny lalana noho ny hamafin’ny rotsak’orana. Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny roa tonta ka ny mpandeha no sahirana ka votery mijanona ora marobe eo amin’ny toerana iray satria samy tsy misy mety milefitra ny andaniny sy ny ankilany. Tompon’andraikitra feno ireo kaoperativa sy ny tompona fiara amin’ny famahana ny olana toy izao satria izy ireo no nanao sonia ny bokin’andraikitra ary nanaiky ny hanaraka an-tsipiriany ny lalàna sy ny lamina napetraky ny sampan-draharahan’ny fitaterana an-tanety. Ain’olona rahateo no eo am-pelatanan’izy ireo koa tsy maintsy manaraka ny lamina napetraka hisorohana ny loza izy ireo.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







