Bealanana – Famonoan’olona an-kolaka
Ny sabotsy lasa teo dia tonga tao amin’ny zandary ao Bealanana ny polisy monisipaly iray ao Ambodiampana nampilaza fa maty tao an-tranony ny lehilahy itay antsoina hoe Toazafy. Nambaran’ity mpilaza vaovao ity ihany koa fa vokatry ny ady teo aminy sy lehilahy iray antsoina hoe Jacquis no nitarika ny fahafatesany. Tsy mbola voafaritra ny anton’ny adin’izy ireo fa nihafara tamin’ny fifanosehana sy fifampikasihan-tanana izany. Natosik’i Jacquis i Toazafy ka nianjera tamin’ny tany ary ny lohany no voadoana mafy tamin’izany. Vaky mantsy ny lohany saingy mbola tonga tany an-tranony ihany izy. Marihina moa fa mipetra-drery ity lehilahy ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary telo lahy nanao ny fanadihadiana niaraka tamin’ny mpitsabo. Ity farany no nanamarina ny fisian’ny ratra teo amin’ny lohan’ilay namoy ny ainy. Efa nentina natao famotorana kosa i Jacquis.
N.F
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







