Ambohijanahary – 7 lahy nitondra basy nanafika toeram-pivarotana
Nirefodrefotra ny basy ny harivan’ny sabotsy lasa teo teny Ambohijanahary. Mpamongady iray no notafihana 7 lahy. Tsy nanao saro-tava ireo jiolahy saingy ny basy kosa no narangarangan’izy ireo nentina nampitandrina ny tompon-tsena sy ny mponina manodidina. Ireto farany ihany koa moa tsy nisy sahy nivoaka nanavotra noho ny tahotra. “Tsy nisokatra ny tsena tamin’io andro io fa naka entana ny tompon-tsena. Tokony ho tamin’ny fito hariva teo izy ireo no nampiditra ireo entana vao tonga ka teo no nanararaotra ireo olon-dratsy. Avy dia niditra tao anaty tsena ny 5, ny 2 kosa niambina tety ivelany. Vantany vao tafiditra izy ireo dia nanapoaka basy. Tsy nisy kosa anefa ny naratra na namoy ny ainy. “Nentina nampitandremana fotsiny ihany ilay tifitra”, hoy ny fanazavana. Tsy nanaiky ny niala maina ireo jiolahy ary toa efa mahafantatra ny ataony ka vola mitentina 8 tapitrisa ariary no lasibatra tamin’izany. Rehafa azon’izy ireo izay notadiaviny dia lasa izy ireo nitsoaka. Tsy nisy nahita kosa anefa na nanonjy fiara izy ireo fa nandeha an-tongotra aloha izy ireo niala teo amin’ilay tsena norobainy.
N.F.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







