Asa famoronana – Nahavita bateria mandeha amin’ny ranomasina ny malagasy
Nahavita bateria mandeha amin’ny ranomasina ny tanora mpikaroka malagasy. Tsy mila fahanana matetika intsony izy io fa tonga dia mandeha avy hatrany ary maharitra hatramin’ny 50 taona any vao mety ho faty. Rehefa miharitra kosa ny ranony dia azo tapohana rano tsotra avy eny amin’ny paompy raha toa ka tsy mahita ranomasina ny tompony. Natao indrindra hanamorana ny fiainan’ny mponina andavanandro, ity bateria vaovao ity satria afaka andefasana jiro, radio, ary ihany koa amahanana finday. Izany hoe ireo zavatra telo tena ilain’ny mponina, indrindra ny eny ambanivohitra, herinaratra. Mbola eo am-panatontosana ny andrana ara-pikarohana eny anivon’ny laboratoara ireo namorona azy ary nilaza fa hiditra tsy ho ela amin’ny famokarana indostrialy sy ny varotra. Noporofon’izy ireo fa tena mahay ny malagasy ary mahavita mamorona fitaovana manokana tena ilain’ny vahoaka fa tsy voatery hiandry ny vokatra vahiny izay sady lafo vidy no tsy mifanandrify amin’ny filan’ny mponina azy. Ho sahirana ny Jirama sy ireo mpivarotra fitaovana famokarana herinaratra lafo be izay manararaotra amin’izao fotoana izao raha tonga eny an-tsena ity bateria mandeha amin’ny ranomasina ity.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







