Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Morondava – Mahay toy ny zaza rehetra ny moana marenina

Tsy misy maha-samihafa azy afaka mianatra sy mahay, manala fanadinana toy ny zaza rehetra ireo ankizy moana marenina. Noporofoin’ny ao amin’ny Semamo na Sekolin’ny marenina sy ny moana ao Morondava izany nandritra ny hetsika nokarakarain’izy ireo ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanao fety ireo zaza tezaina ao sy ny ny mpanabe ka tamin’izany no nanehoany ny fahaizany sy ny talentany. Nohazavain’ny tompon’andraikitry ny sekoly fa misy karazany telo ny fampianarana arahin’ireo ankizy manana olana eo amin’ny fandrenesana. Voalohany amin’izany ny firesahana amin’ny alalan’ny tanana sy ny baiko, ary ny fihetsika samihafa ahafahana mifandray eo anivon’ny fiaraha-monina. Aorian’izay dia afaka manaraka ny programam-pampianarana nofaritan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo ankizy ka afaka miatrika sy manala ny fanadinana ara-panjakana. Efa marobe ireo moana marenina no afaka Cepe, Bepc ary bakalorea. Ary fahatelo, misy ny fampianarana arak’asa satria tena manan-talenta kokoa ny olona sahirana amin’ny fandrenesana. Tsy vesatra ho an’ny fiaraha-monina izy ireo ary tsy manana olana ara-batana sy ara-tsaina ka afaka mihoatra lavitra noho ny hafa.

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre