Besarety – Trano fivarotana iray lasa lavenona
Tsy mbola voafaritra aloha hatreto izay mety ho nahatonga ny loza fa ny afo efa nijoalajoala vao samy taitra na ny tompontrano na ny mponina manodidina. Trano misy rihana ity nolalaovin’ny afo ity ka tsena ny ao ambany rihana ary trano fonenana kosa ny ambony rihana. Tao amin’ilay tsena no voalaza fa niaingan’ny afo ka niitatra nananika ny rihana tany ambony. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina teo no nitrangan’izany tetsy Besarety. Tsy nisy na inona na inona azon’ireo tompontrano natao afa tsy ny nanavotra ny tenany aloha izay vao nitady hevitra namonoana ny afo. Niantso ireo mpamonjy voina ihany ny mponina saingy tara ny fahatongavan’izy ireo raha ny voalaza hatrany. Raha nanomboka tamin’ny 2 ora maraina mantsy ny firehetana, tsy voafehy ny afo raha tsy tamin’ny 6 ora maraina. Ankoatra io dia trano iray mifanolo-bodirindrina aminy ihany koa no nirehitra rehefa miitatra ny afo. Goavana dia goavana ny fahavoazana raha ny nambaran’ny tompontrano. Raha mikasika ny mety ho nahatonga ny afo indray dia efa noraisin’ny mpitandro filaminana ny fanaovana famotorana momba izany.
N.F.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







