Polisy lasa jiolahy – Efa migadra mandra-pahafaty mbola voasambotra indray
Voasambotry ny mpanao fikarohana heloka bevava teny amin’ny Fasan’ny karana tamin’ny herinandro lasa teo ny jiolahy miisa roa antsoina hoe Faby, 39 taona izay polisy efa voaroaka sy ny namany iray hafa fantatra amin’ny anarana hoe Solomon, 43 taona. Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika faha-efatra fa misy jiolahy roa voasaringotra tamin’ny asa ratsy maro ary efa voaheloka migadra mandra-pahafatiny no mikasa ny hitsoaka any Toliara. Saika handray taksiborosy teny amin’ny fiantsonana Fasan’ny karana izy roalahy ireto no tratra tao anaty fiara Sprinter. Tokony ho tamin’ny 4 ora folakandro teo no nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka avy hatrany dia nisambotra azy ireo. Nandritra ny fisavana natao azy ireo no nahitana basy poleta iray marika MF “calibre” 6,35 mm vita frantsay miaraka amin’ny bala 14 isa sy “puce” fanao amin’ny finday marobe. Tany amin’i Faby dia mbola nahatratrarana kara-panondro sandoka misy ny sariny saingy amin’ny anaran’i Andry Sadino. Fantatra ihany koa fa isan’ireo jiolahy nanafika sy nitifitra ny minisitra Azaly Ben Marouf tany Mahajanga tamin’ny taona 2001 i Faby. Tsy mbola tapitra hatreo anefa ny lisitry ny asa-ratsy vitan’ity farany fa mbola ao ihany koa ny fanafihana mitam-piadiana sy fikasana namono mpamongady tao Fianarantsoa ny taona 2003. Isan’ny tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny zaza antsoina hoe Alvaraly Houssen ihany koa ny volana febroary tamin’ity taona ity tany Toliara. Efa voaheloka migadra mandra-pahafaty moa i Faby fa nitsoaka ny fonja ny taona 2009 rehefa nanatanteraka asa ivelan’ny fonja tao amin’ny manam-pahefana iray. Raharaha telo no hanenjehana azy ireo eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava ary mbola misy raharaha hafa ihany koa hanenjehana azy ireo any Toliara.
N.F.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







