Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Manararao…pety !

Tsy azo atao ny manao fihetsiketsehana an-dalambe mety manohintohina ny filaminam-bahoaka amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Didy fandrarana navoakan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana io. Izany hoe fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Raha jerena amin’ny lafiny tsy miangatra dia rariny sy hitsiny raha manao izay ho afany amin’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny fanjakana ny mpitondra mba samy te-hifety ao anatin’ny fifaliana sy ny filaminana avokoa ny rehetra.

Hita ihany anefa fa misy kajikajy politika ilay fanapahan-kevitra noraisina satria mafampana ny fitakiana etsy sy ero noho ny vokatra tsy mahafa-po sy ny fihetsika tsy mihaino ataon’ny manam-pahefana. Tsy ahitan-teny ary tsy mahita havaly mihitsy ny mpitondra manoloana ny fitakiana mahakasika ireo nosy « éparses ».

Tena fitiavan-tanindrazana madiodio ary tsy misy resaka politika hifanandrinan’ny mpitondra sy ny mpanohitra ity raharaha nosy « éparses » ity nefa dia avadiky ny mpitondra Fanjakana ho hetsika fanakorontanana. Ny vahoaka anefa dia miandrandra sy mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra mba hanehoana imason’izao tontolo izao fa an’i Madagasikara ireo nosy ireo ary tsy maintsy averina aminy. Raha ny tokony ho izy dia fotoana fanararaotana ho an’ny mpitondra ny hetsi-bahoaka toy izao hanaovana tsindry amin’i Lafrantsa izay nangalatra ny tanintsika. Izany hoe tokony amporisihin’ny mpitondra mihitsy ny vahoaka hihetsika ary hampiseho fa tsy faly amin’ny mpanjanatany. Tsy izany anefa no mitranga fa tapenam-bava ny vahoaka mitaky ny fananany. Tsy mahazo manao fihetsiketsehana ary efa miandry ny hery famoretana ho an’izay mikasa ny hiteny sy hitaky ny zony.

Tsy vitan’izany fa mbola araraotina ihany koa ny fankalazana ny fety nahaterahan’ny mpamonjy sy ny taom-baovao mba hamoahana didy fandrarana ny vahoaka tsy hiteny mikasika ny resaka politika. Manararao-pety no filaza izany. Sady efa zara raha misoka-bava ihinana satria tsy misy arapaka ny vahoaka no mbola tapenam-bava tsy hiteny ihany koa. Miaro mafy ny sezany ny mpitondra ary tsy te ho sahirana amin’izao faramparan’ny taona izao ka mampiasa ny fomba rehetra hanakanana ny vahoaka tsy haneho ny heviny.

Raha ny tena izy anefa dia tsy ilana izany didy fanakanana ny olona tsy hanao hetsika izany ny vanim-potoana toy izao satria olon-kendry ny malagasy ary tsy misy na iza na iza mikasa ny hiketrika fanakorontanana mandritra ny fetin’ny noely sy ny taom-baovao izany ankoatra ireo jiolahy sy olon-dratsy. Vao maika mandiso fanantenana ny olona ny fahenoana fa tsy mahazo manao hetsika satria tsy nisy nieritreritra ny hanao izany. Manaporofo ny tsy fisian’ny fifampitokisana sy ny fanendrikendrehana vahoaka ny famoahana didy toy iny.

Tsy misy olona mpanao politika hahatarika vahoaka hanakorontana izany raha amin’ny vanim-potoana toy izao. Tsy misy mpanao politika ihany koa hitarika vahoaka hidina an-dalambe izany amin’ny asaramanitra toy izao. Tsy adala akory ny olona ka hisompatra ny fotoana kely mba hifalian’ny vahoaka ka anadinoana vetivety ny vesatry ny fahantrana sy ny tsy ara-drariny ary ny tsy tomombana rehetra eto amin’ny firenena.

Tsara ny malina sy ny fetsy ary ny mitandrina mba tsy ho voa fa manala-baraka kosa ny manararao-pety satria ny anjara masoandro kely mba natokana hitoniana no avadika ho fitaovana politika hanakanana ireo ahiana ho mpifanandrina tsy hiteny sy tsy hilaza am-kalalahana izay heveriny fa tsy mety eto amin’ny firenena ary ihany koa androsoany soson-kevitra hanatsarana ny ho avy.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre