Mikoroso fahana
Tsy mahatakatra mividy akoho amam-borona intsony ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy amin’izao fotoana izao. Kely ny karama ary tsy maintsy tsitsiana satria tsy ny fotoanan’ny fety sy asaramanitra irery no ampiasana azy. Tsy afaka mirobaroba sy mividy zavatra maro toy ny taloha intsony rehefa fetin’ny krismasy fa mionona amin’ny akoho vidiana an-tsinjarany eny amin’ny mpivaro-kena fotsiny sisa. Kely ny karama, ambany be ny sandam-bola ary tsy mitsaha-miakatra ny vidin’entana. Io no antony tsy ahafahan’ny malagasy mividy vorona rehefa fety. Efa ny antsasaky ny karaman’ny mpiasa madinika iray no vidin’ny vorontsiloza sy ny gisa eny an-tsena. Tazanim-potsiny ary saika ny hotely sy ireo olona tsy misara-mianakavy sisa no mahatakatra azy ireny. Izany hoe ankohonana maromaro no manambatra vola hividianana laoka iraisana hanaovana fety.
Tsy naka sarotra anefa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana nilaza fa nihena ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara tamin’ity taona ity. Samy manana ny nihena tokoa angamba ary heverina fa ny fari-piainan’izy samy mpitondra ihany no refesin’izy ireo ka mahatonga azy hilaza fa mandroso ny firenena. Raha ny fiovana misy eo amin’ireo olona tsara seza eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana kosa aloha no jerena dia tena hita manontany ny ory izy ireo. Maniry toy ny anana ny trano be tsara tarehy sy mijoalajoala etsy sy eroa. Mifanjevo eny an-dalana ny fiarakodia vaovao sy lafo vidy. Raha ireny no atao jery tokana dia tsy mahantra izany i Madagasikara fa tena manana ny ampy.
Raha ny tena marina, tsy mahantra ity firenena ity fa ny vahoaka ao aminy no fadiranovana. Mivangongo eo am-pelatanan’olom-bitsy ny harena ary bodoin’izy ireo ho azy samy irery. Tsy misitraka ny harem-pirenena ny vahoaka malagasy satria tsy mahay mitantana izany ny mpitondra. Lasan’ny vahiny fotsiny ny mamy nomen’ilay nahary ity firenena ity sy ny vahoaka ao aminy. Gaboraraka ny fitrandrahana sy fanondranana ireo harena an-kibon’ny tany sy anaty ala ary an-dranomasina ary tsy hita pesipesenina ny vola very amin’izany nefa tokony hanasoavana ny vahoaka. Malemy sy tsy mandray andraikitra ny mpitondra manoloana ireny ary lasa mandany andro amin’ny fihetsiketsehana fotsiny fa tsy hita izay tena vokatra azon’izy ireo.
Izany rehetra izany no mahatonga ity firenena ity tsy mety mandroso satria mampikoroso fahana ny fiainam-bahoaka ary tsy ampiasaina ho an’ny tombontsoan’ny maro an’isa ny otrikarena sy ny volam-panjakana fa laniana ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy. Ny solika sy fahana ho an’ny tompon’andraikitra ambony iray fotsiny dia efa mihoatra lavitra ny karaman’ny mpiasa madinika miisa telo.
Ny mahasosotra ny vahoaka ihany koa dia ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitra ataon’ny mpitondra mihitsy mba hanalefahana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tamin’ny andron’ny tetezamita izay nolazaina hatrany fa tsy ara-dalàna ary voasazy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena na tsy nahazo famatsiam-bola aza nahavita nifehy ny fiantraikan’ny fahantrana teny amin’ny vahoaka. Na inona na inona fomba nataony tany ambadika tany dia nahavita nitsinjo ny vahoaka ny fitondrana tetezamita raha oharina amin’ity fitondrana ity. Mora fa tsy toy ny amin’izao ny vidin’entana rehetra teny an-tsena ary tsy toy izao ihany koa ny delestazy sy ny fahatapahan’ny rano. Midika izany fa azo atao tsara mihitsy ny maka fepetra hitsinjovana ny vahoaka. Tsy fantatry ny mpitondra ankehitriny izany fa ny mahamaika azy dia ny hitsangatsangana matetika any ivelany sy ny hikarakara atrikasa etsy sy eroa.
Tsy mety tsapan’ny mpitondra fa tena fadiranovana ny vahoaka ary mijaly matoa mitaraina sy mitaky tsy an-kijanona. Tsy sanatria halako bika tsy tiako tarehy no mahatonga ny fihetsiketsehana mitranga etsy sy eroa fa tena miaina tanteraka ao anaty fahantrana sy fahasahiranana ny ankamaroan’ny malagasy ka mitaky ny fanatanterahana ireo rehetra nampanantenaina azy.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







