Potika ny renivohitra – Nandiso fanantenana ny Tim
Tsy araka ny nampoizin’ny mpifidy fa potika tanteraka ny renivohitra taorian’ny volana maromaro nahatongavan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana teo amin’ny fitantanana ny kaominina. Vao mainka feno lavaka ny arabe, mitobaka ny fako, miitatra hatramin’ny alim-be ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary tsy azo iainana ny fofona masiso sy ny fofon-tsetroka ao afovoan-tanàna ao. Tsy mahita lalan-ko diavina ara-bakiteny ny mponin’Antananarivo satria feno mpivarotra tsy ara-dalàna ny tanàna ary izay lalana kely misy malalaka dia feno lavaka sy ranom-potaka.
Mipetraka ny fanontanian’ny mponina hoe inona fotsiny ny ataon’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany izay mivory lava ao anaty birao ao? Aiza ihany koa ilay sioka tokana dia tonga ny mpamatsy vola? Be fiavy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nilaza fa hanampy betsaka an-dramatoa vadiny amin’ny fitantanana sy fampandrosoana ny kaominina. Vao nidona tamin’ny sakana nataon’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteram-panjakana misahana ny asa vaventy anefa dia nanepoka tsy hita intsony.
Toa lasan-ko-vavany toy ny haron-tabebaka fotsiny sisa ny asa fampandrosoana nampanantenaina ny vahoakan’Antananarivo renivohitra. Fivoarana sy mamirapiratra no nampanantenaina kinanjo ao anaty rano maloto no hanao fety. Hatreto aloha dia nijabaka ny mpifidy satria raha ny nambaran’ny eo anivon’ny kaominina dia any amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina vao afaka hanomboka ny asa fanamboarana foto-drafitr’asa izy ireo noho ny olana ara-teknika ateraky ny toetr’andro sy ny tsy mbola fisian’ny famatsiam-bola. Raha hisy ihany koa aza izany satria hatreto aloha dia mivelona lava amin’ny fampanantenana poak’aty sy ny fanilihana andraikitra ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-dia aminy. Ho an’ny vahoaka dia mazava izao fa tsy alehany mihitsy ireto olona ireto!
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







