Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Zaza maditra – 70% mpangalatra sy mpamaky trano

Mihamaro ny zaza mania amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Tsiahivina fa 65%-n’ny mponina eto amintsika dia ankizy avokoa. Amin’ireo zaza tsy ampy taona, mania ny 35% ka ny 70% dia halatra arahana vaky trano na halatra tsotra no hanenjehana azy, ny sisa dia ampangaina ho nanolana na vono sy ratra niniana na fanolanana na mitazona zava-mahadomelina sns…”

Ary mba hanampiana azy ireo dia alefa any amin’ireny toerana voatokana ireny izy ireo. Misy fanampiana ara-tsaina omena azy ireny mba tsy hiverenany amin’ny ratsy fanaony intsony.Eo ihany koa ny fialamboly sy fianarana ary fianarana asa mba hanampiana azy hiditra indray eo amin’ny fiarahamonina”. Io no votoanton-dresaka nifanaovan-dRavelojaona Madera teo amin’ny pejy facebook ny Masoivoho Amerikana nandritra ny resaka nivantana nataony vao tsy ela izay.

Manan-danja ho an’ny ankizy ny volana desambra satria sady volana fialan-tsasatra no hanamarihana ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona. Volan’ny fanomezana ihany koa ny volana desambra ary fotoana fifaliana miaraka amin’ny namana sy ny fianakaviana ary ny mpiara-belona. Mahatsiaro indrindra ireo zaza mania isika amin’izao fotoana akaikin’ny fety izao. Ankizy izay misitraka ny zony toy ny ankizy rehetra na dia eny amin’ny toerana fanarenana zaza mania aza.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre