Fiahiana ara-tsosialy – Antoky ny fahombiazan’ny asa
Tsy ampy ny fampahafantarana ny lalàna velona ka lasa manaonao foana ny olona. Anjara adidin’ny tompon’andraikitra eo amin’ny sekoly ny mampahafantatra izany amin’ireo mpiasa raha ny nambaran’i Bakoly Arinosy Rajoelison, tale nasionalin’ny Firaisan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara na DN/EPM. Nanomboka ny alatsinainy 21 desambra lasa teo ary hifarana anio ny tantsoroka atolotry ny Firaisan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara ho an’ireo talen-tsekoly sy mpampianatra avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Nahatonga solontena avokoa ny faritany 6 teo aloha, miampy ny avy any Ambatondrazaka, Amparafaravola, Sainte-Marie, Brieville, Mampikony, Bealanana, Tsiroanomandidy, Farafarangana ary Manakara. Miisa 70 ireo talen-tsekoly avy amin’ny sehatra tsy miankina nofanina satria tsara fantatr’izy ireo ny fiahiana araka asa mba hampahomby ny fampianarana.
Efa fanaon’ny DN/EPM isan-taona ny tantsoroka ho an’ny sekoly mandritra ny taom-pialan-tsasatra. Ka tamin’ity indray mandeha ity dia nisy ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny Cnaps mba hahafantaran’ireo mpitantana sekoly fa ilaina jerena ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpampianatra raha te-hahazo vokatra tsara amin’ny fanabeazana. Noresahina ihany koa ny hetra sy ny fandraharahana ankapobeny.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







